Tetikasa « Magnasoa »
Fizaràna fatana nohatsaraina ao amin’ny Faritra Anosy
❇️ Ao anatin’ny ezaka fizaràna fatana nohatsaraina (foyers améliorés) ao an’ny Faritra Anosy, dia nisy ny fampahafantarana ny  » Tetikasa Magnasoa  » tamin’ny alalan’ny fihaonan’ireo mpiara-miombon’antoka manatanteraka ny tetikasa , tamin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, ny 17 Janoary 2024 teto Ampandrianomby.
✴️ Ity tetikasa ity dia miompana amin’ny fanomezana « foyers améliorés » miisa 120.000 ho an’ny Faritra Anosy: Amboasary , Tolagnaro ary Betroka.
📝 Marihina fa eto Madagasikara dia maherin’ny 90% n’ny Malagasy no mbola mampiasa tanteraka ny arina fandrehitra mahazatra (charbon de bois) sy ny kitay izay sady ratsy ho an’ny fahasalamana no mamotika ny tontolo iainana. Ho an’i Tolagnaro manokana ohatra, dia mbola mahatratra 73.000 taonina isan-taona ny fanjifana arina fandrehitra. Ny fampiasana ireto « foyers améliorés » ireto, dia mitarika fihenana hatramin’ny 50% ny arina ampiasaina. Tanjona arak’izany, ny fiahiana ny ala tsy ho ripaka.
🤝🏼 Izao dia fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH) amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny « éthanol » sy ny Angovo azo avy amin’ny Akora Biolojika (DPEBIO), ny Faritra Anosy , ny MadAvance ,ary ny SaniTap. Nitarika ny Delegasiona nitsidika, ny Governoran’ny Faritra Anosy Rtoa RAKOTOVELOMANANTSOA Voahary.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *