
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra natao teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 3 Avrily 2024, ny handraisan’ ny Fanjakana an-tanana, ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana momba ireo entana nafarana avy any ivelany. Ireo dia hananganana ireo foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, fantatry ny maro amin’ny hoe « projet parcs solaires ».