Angovo azo avaozina
🌞 Misesy ny fahatongavan’ireo fitaovana hananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eto Madagasikara. Andiany faha-9 ka hatramin’ny faha-12 amin’ireo entana no ho avy ankehitriny.
✅️ Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra natao teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 3 Avrily 2024, ny handraisan’ ny Fanjakana an-tanana, ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana momba ireo entana nafarana avy any ivelany. Ireo dia hananganana ireo foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, fantatry ny maro amin’ny hoe « projet parcs solaires ».
⏩️ Tsiahivina fa hanana tanjaka 50 MW ity tetikasa hiarahana amin’ny JIRAMA ity, ary miisa 47 ireo Distrika hisitraka izany.
▶️ Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana, ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana sy fampidirana ireo fitaovana teknika afaran’ny orinasa JIRAMA ho an’ny Mananara sy Sainte Marie. Izany dia hiompana koa amin’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Asa hatao amin’ny alalan’ny fanampiana ara-bola avy amin’ny Firenena Belge, ao anatin’ny Tetikasa FINEXPO.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *