Nifanotrona tamin’ny fitokanana, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy ao Sambava , ny solontenan’ny Faritra SAVA , ny Ben’ny Tanànan’ Amboangibe sy Antindra ary ny Talem-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) Antsiranana.
Izao fotodrafitasa izao no nitsangana dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P), tafiditra ao anatin’ny « We Light Tour » .
Tsy hijanona eto amin’ny Kaominina Amboangibe sy Antindra ihany fa hihitatra amin’ny Kaominina roa hafa , Amboatafo sy Anjilava ny fampisitrahana herinaratra amin’ny alalan’ity tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ity .