Angovo azo avaozina :
Nahazo CS Amboangibe
Notokanana anio 29 Septambra 2023 ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro (Centrale Solaire-CS) ao amin’ny Kaominina Amboangibe , Distrika Sambava , Faritra SAVA .
Manana tanjaka 200,9 KWc ka hamatsy Kaominina roa : Amboangibe , Antindra .
Nifanotrona tamin’ny fitokanana, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy ao Sambava , ny solontenan’ny Faritra SAVA , ny Ben’ny Tanànan’ Amboangibe sy Antindra ary ny Talem-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) Antsiranana.
Izao fotodrafitasa izao no nitsangana dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P), tafiditra ao anatin’ny « We Light Tour » .
Tsy hijanona eto amin’ny Kaominina Amboangibe sy Antindra ihany fa hihitatra amin’ny Kaominina roa hafa , Amboatafo sy Anjilava ny fampisitrahana herinaratra amin’ny alalan’ity tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ity .
Sary DIEH Antsiranana