
Mazava ny tanàna eto amin’ny Oniversite Maninday Toliara. Ankoatra ireo mpianatra, dia misitraka hazavana ihany koa ny mponina manodidina. Jiro « Cobra » miisa 60 no napetaka ho azy ireo ary efa manazava ny toerana rehetra tao anatin’ny haizina nandritra ny taona maro teo aloha.