« Hazavana ho an’ny daholobe » eto Toliara
🔅Mazava ny tanàna eto amin’ny Oniversite Maninday Toliara. Ankoatra ireo mpianatra, dia misitraka hazavana ihany koa ny mponina manodidina. Jiro « Cobra » miisa 60 no napetaka ho azy ireo ary efa manazava ny toerana rehetra tao anatin’ny haizina nandritra ny taona maro teo aloha.
👏🏼 Ravo ireo mpianatra monina eny an-toerana sy ireo mponina manodidina noho izany, ka velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH).
📬 Ankoatra izay dia niova Birao ny Fitaleavana Iraisam-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) eto Toliara, lasa eo akaikin’ny « Bord de mer ».
🤝🏼Fiaraha-miasa amin’ny Talem-paritry ny Ministeran’ny Fizahantany no nahazoana ny birao vaovao araka ny tatitra avy amin’ny DIEH Toliara Atoa MILLY Martial.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *