Fampidirana herinaratra any ambanivohitra :
🔆Dinikasa niarahana tamin’ny GIZ PERER
✅ Fandrafetana ny fandaharan’asa amin’ny taona 2024. Niombom-peo ny rehetra : hamafisina ireo tetikasa miompana amin’ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra. ▶️ Tanteraka ny 12 Desambra 2023 tao amin’ny biraon‘ny PERER Ankorondrano, ny fanomanana ny programa 2024. Nandray anjara tamin’izany ny MEH, ADER, ORE, GIZ PERER, ary ireo solontenan’ny Fiaraha-miasa amin’i Alemana ary ny Delagasion’ny Vondrona Eoropeana.
✳️ Izao dia tafiditra amin’ ireo fandaharan’asa tohanan’ny Governemanta Alemana. Anisany ny PERER I sy ny PERER II, ary efa an-dalam-panomanana ny fametrahana ny PERER III.
📸 Sary : GIZ PERER

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *