Fampidirana herinaratra any ambanivohitra :
Dinikasa niarahana tamin’ny GIZ PERER
Fandrafetana ny fandaharan’asa amin’ny taona 2024. Niombom-peo ny rehetra : hamafisina ireo tetikasa miompana amin’ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra. Tanteraka ny 12 Desambra 2023 tao amin’ny biraon‘ny PERER Ankorondrano, ny fanomanana ny programa 2024. Nandray anjara tamin’izany ny MEH, ADER, ORE, GIZ PERER, ary ireo solontenan’ny Fiaraha-miasa amin’i Alemana ary ny Delagasion’ny Vondrona Eoropeana.
Izao dia tafiditra amin’ ireo fandaharan’asa tohanan’ny Governemanta Alemana. Anisany ny PERER I sy ny PERER II, ary efa an-dalam-panomanana ny fametrahana ny PERER III.
Sary : GIZ PERER