Fiofanana :
Vehivahy injeniera mahafehy fitaovana mampiasa herin’ny masoandro (FIS)
Voafidy ireo vehivavy avy ao amin’ny Fokontany Ampanasina, Kaominina Ambanivohitra Antsaravibe, Distrikan’i Ambilobe izay hanaraka fiofanana mandritra ny 4 volana any Tsiafajavona Ambatolampy Faritra Vakinankaratra. Vehivavy ho lasa Injeniera amin’ny fifehezana ireo fitaovana mampiasa herin’ny masoandro na « Femme Ingénieur Solaire » (FIS) moa no fiantso azy ireto.
Voafidy torak’izany koa ireo solontenan’ny vahoaka ao anatin’ny Komity mpitantana jiro any an-toerana.
Fitondrany anjara biriky amin’ny fampandrosoana, ary fanampiana azy ireo no tanjona amin’ity tetikasa FIS ity.
Ho an’ny Fokontany Andavoanemboka, Kaominina Ambanivohitra Antsimbondrona, Distrikan’Ambilobe kosa dia nampahafantarina ny vahoaka ireo vehivavy « FIS » vao nahavita fiofanana sy ny Komity mpitantana ny jiro. Efa an-dalam-pamitana azy ankehitriny ny tranon-jiro sy ny toby ho an’ireo fitaovana hiasan’ireo FIS any an-toerana.
Ireo no tatitra avy amin’ny DIEH Antsiranana taorian’ny fidinany ifotony, ny 28 sy 29 Aprily lasa teo, niarahany tamin’ny ekipan’ny BC MADA, WWF, SDPPSPF Ambilobe (Service Population), Lehiben’ny Distrikan’ Ambilobe.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *