Tarigetra tamin’ity fihaonana ity ny hanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny sehatra tsy miankina (fampiroboroboana ny 3P), fa indrindra ho fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara.
Nandritra izany dia nisy ny fampahafantarana ireo ekipa sy ireo sampan’asa misy eo anivon’ny orinasa. Ohatra ny fampahafantarana ny teknolojia ampiasain’ny orinasa, hoentina manaraka ara-potoana ny filan’ny mpanjifa, sy ny fandaniana (Logiciels permettant de suivre en temps réel la production de chaque mini-réseau, la consommation locale, etc.)