
Manan-karena akora ahafahana mamadika izany ho angovo azo avaozina rahateo ny tontolo ambanivohitra, ka antony niarahan’ny mpiara-miombon’antoka, ONG GRET sy ny orinasa HIER, amin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo miasa amin’ny nananganana ity tobim-pamokarana herinaratra ao amin’ny fokontany Andriamamovoka. Tobim-pamokarana mandeha amin’ny alalan’ny toha-drano mamokatra 1 600 Kw na 1,6 MW. Ny 600 Kw dia natokana ho an’ny kaomina 3 : Camp Robin, Sahatona ary Vohiposa izay misitraka angovo madio sy maitso, tsy mety tapaka noho izy azo avy amin’ny rano, tafiditra anatin’ny fandaharan’asa fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra (électrification rurale).