Angovo azo avaozina :
Mamokatra 1,6 MW ny « centrale hydroélectrique » ao Andriamamovoka
Porofon’ny mpiasa ny bainga voavadika. Tsy honohono ny firosoana amin’ny fiovana ka ampiasana angovo azo avaozina eto Madagasikara. Notokanana ny 10 Jona 2023 ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny toha-drano (centrale hydroélectrique) ao Amdriamamovoka, Kaominina Ambanivohitra Sahatona, Distrikan’Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony. Nitarika izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo, Atoa Soloniaina ANDRIAMANAMPISOA.
Tsy ireo tanàn-dehibe ihany fa efa mipaka hatrany any amin’ny tontolo ambanivohitra ny fampisitrahana ny herinaratra ho an’ny rehetra araky ny Velirano faharoa nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry RAJOELINA.
Manan-karena akora ahafahana mamadika izany ho angovo azo avaozina rahateo ny tontolo ambanivohitra, ka antony niarahan’ny mpiara-miombon’antoka, ONG GRET sy ny orinasa HIER, amin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo miasa amin’ny nananganana ity tobim-pamokarana herinaratra ao amin’ny fokontany Andriamamovoka. Tobim-pamokarana mandeha amin’ny alalan’ny toha-drano mamokatra 1 600 Kw na 1,6 MW. Ny 600 Kw dia natokana ho an’ny kaomina 3 : Camp Robin, Sahatona ary Vohiposa izay misitraka angovo madio sy maitso, tsy mety tapaka noho izy azo avy amin’ny rano, tafiditra anatin’ny fandaharan’asa fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra (électrification rurale).
Misitraka io tobim-pamokarana herinaratra io ihany koa ny JIRAMA satria ny 1 MW dia alefa mankany amin’ny tambazotra iraisana (réseau interconnecté) ao Namorona, Fianarantsoa manome herinaratra manomboka aty amin’ny atsimo indrindra dia Ambalavao, hatrany amin’ny atsinanana amin’ny distrikan’Ifanadiana, Faritra Vatovavy.
#️⃣ 20%-n’ny filana ara-herinaratra ao Fianarantsoa no afaka vokaran’io tobim-pamokarana vaovao io, manomboka izao avy amin’ny JIRAMA. Afaka mamatsy herinaratra ho an’ny tokantrano miisa 4.200.
Mandroso ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana (Partenariat public privé), araka ny nambaran’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo, Soloniaina ANDRIAMANAMPISOA, androany, nandritra ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ity fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka ity. Mifanindran-dalana amin’izay dia afaka misitraka ireo tetikasa toy ny « Branchements Mora » izay iarahana miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka HIER ihany koa ny mponina. Eo ihany koa ny tetikasa « Kits solaires » izay mifameno amin’ity fotodrafitrasa vaovao mamatsy herinaratra ity. Ireo dia porofo amin’ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana hiroso amin’ny fampiasana angovo madio sy azo avaozina eto Madagasikara.
Mitondra fanampim-panazavana ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo, Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA.