
Androany 12 Septambra 2024, dia nidina ifotony nijery ny toerana sy nametraka paikady ho fanatanterahana izany, ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, sy ny avy amin’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, niaraka tamin’ ny Delegasiona avy any Zimbabwe. Ireto farany dia manam-pahaizana manokana mikasika ny fitantanana ny fako, mivondrona eo anivon’ny orinasa « Geo Pomona Waste Management Ltd » . Tonga nanotrona koa ny avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nandray ireto Delegasiona mafonja ny Tale Jeneralin’ny SMA.