Andralanitra
Himasoana ny fanodinana ny fako ho loharanon’angovo
Tetikasa lehibe izay tanterahin’ny Governemanta Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ary iarahana amin’ ireo mpiara-miombon’antoka, ny fanodinana ireo fako izay mitoby eto Andralanitra ho tonga loharanon’angovo.
Androany 12 Septambra 2024, dia nidina ifotony nijery ny toerana sy nametraka paikady ho fanatanterahana izany, ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, sy ny avy amin’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, niaraka tamin’ ny Delegasiona avy any Zimbabwe. Ireto farany dia manam-pahaizana manokana mikasika ny fitantanana ny fako, mivondrona eo anivon’ny orinasa « Geo Pomona Waste Management Ltd » . Tonga nanotrona koa ny avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nandray ireto Delegasiona mafonja ny Tale Jeneralin’ny SMA.
Ny fanodinana ireo fako plastika eto Andralanitra ho angovo no tanjona amin’ny fiaraha-miasa. Nanambara izy ireo fa ny toerana misy fako mitoby, dia afaka hamokarana herinaratra 16MW hatramin’ny 22MW, ary afaka ampitomboina hatramin’ny avo valo heny izany, arakaraky ny habetsahan’ny fako eo amin’ny toerana iray .
Tsiahivina fa fako 700 taonina isan’andro no mitoby eto. Izao dia tafiditra ihany koa, amin’ny fiahiana ny tontolo iainana, ka mahatonga antsika milofo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara.
Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo nandritra ity fidinana ifotony ity ny Sekretera Jeneraly , Atoa ANDRIANTSOA Thierry .