
Vinanβny fitondram-panjakana tarihinβny filoha Andry RAJOELINA ny Β« hazavana ho anβny rehetra Β».
Miroso aingana manatanteraka izany fanamby izany ny Minisitera. Nidina ifotony eto Antsiranana βFaritra Dianany alakamisy 16 marsa 2023 ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Solo ANDRIAMANAMPISOA.
Ny atoandro ihany dia nijery ny toby mpamokatra herinaratra avy aminβny masoandro (Centrale solaire) tao Ankoriky hely, kaominina ambanivohitry Ramena. Manana tanjaka 2,4MWc ity toby mpamokatra herinaratra ity ary efa mamatsy tanteraka ny tanΓ nan’Antsiranana.
Tsy hiandry ela fa hatomboka ny tapany faharoa amin’ny asa fanamboarana toby mpamokatra herinaratra avy aminβny masoandro (Parc solaire) manana tanjaka 5 MWc ho an’Antsiranana ihany hoy Andriamatoa Minisitra.
Ny hariva dia fitsidihana sy dinika ara-tekinika tany amin’ny Centrale ENELEC ao Antsiranana. Voamarina tao anatinβizao fitsidihana izao fa ampy tsara ny famokarana ny Angovo eto Antsiranana. Ny fahatapan-jiro no tokony hialana sy hijerena vahaolana.
Nitohy ny fitsidihana tao aminβny Site Joffre Ville: Ity toerana ity dia hanamboarana Centrale Hybride solaire-Γ©olienne hanana tanjaka avy aminβny masoandro 31,28 KWc sy avy aminβny Γ©olienne 30 KW.
Tapaka fa tsy maintsy mijery hevitra hafa sy aingana hanoloana ilay convertisseur mba handehananβio Toby io. Hirosoana ihany koa ny dinika tekinika aty an-toerana.
Toy ny nataonβny fitondrana taminβireo fokontany maro tao Antananarivo sy Toamasina ary Mahanoro dia natomboka taminβny fomba ofisialy teto Antsiranana ihany koa ny tetikasa Β« Hazavana anβelakelantrano Β», ka elakelatrano 1 kilometatra sy sasany ao aminβny Fokontany Mahatsara no nisitraka izany voalohany. Naneho ny hafaliany sy fankasitrahany izao fahazoana hazavana teny anivonβny elakelatrano izao ireo vahoaka sy ny tomponβandraikitra tany an-toerana.
Nanambara Andriamatoa Minisitra fa hatomboka tsy ho ela eto Antsiranana ny Tetikasanβny fitondram-panjakana Β« Branchement Mora Β» sy fanaparitahana ireo Β« Kits solaire Β».