π— π—˜π—› – π—™π—œπ—§π—œπ—¦π—œπ——π—œπ—›π—”π—‘π—” π—˜π—§π—’ π—”π—‘π—§π—¦π—œπ—₯𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔 – 𝗙𝗔π—₯π—œπ—§π—₯𝗔 π——π—œπ—”π—‘π—”
Vinan’ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Andry RAJOELINA ny Β« hazavana ho an’ny rehetra Β».
Miroso aingana manatanteraka izany fanamby izany ny Minisitera. Nidina ifotony eto Antsiranana –Faritra Dianany alakamisy 16 marsa 2023 ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Solo ANDRIAMANAMPISOA.
Ny atoandro ihany dia nijery ny toby mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro (Centrale solaire) tao Ankoriky hely, kaominina ambanivohitry Ramena. Manana tanjaka 2,4MWc ity toby mpamokatra herinaratra ity ary efa mamatsy tanteraka ny tanΓ nan’Antsiranana.
Tsy hiandry ela fa hatomboka ny tapany faharoa amin’ny asa fanamboarana toby mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro (Parc solaire) manana tanjaka 5 MWc ho an’Antsiranana ihany hoy Andriamatoa Minisitra.
Ny hariva dia fitsidihana sy dinika ara-tekinika tany amin’ny Centrale ENELEC ao Antsiranana. Voamarina tao anatin’izao fitsidihana izao fa ampy tsara ny famokarana ny Angovo eto Antsiranana. Ny fahatapan-jiro no tokony hialana sy hijerena vahaolana.
Nitohy ny fitsidihana tao amin’ny Site Joffre Ville: Ity toerana ity dia hanamboarana Centrale Hybride solaire-Γ©olienne hanana tanjaka avy amin’ny masoandro 31,28 KWc sy avy amin’ny Γ©olienne 30 KW.
Tapaka fa tsy maintsy mijery hevitra hafa sy aingana hanoloana ilay convertisseur mba handehanan’io Toby io. Hirosoana ihany koa ny dinika tekinika aty an-toerana.
Toy ny nataon’ny fitondrana tamin’ireo fokontany maro tao Antananarivo sy Toamasina ary Mahanoro dia natomboka tamin’ny fomba ofisialy teto Antsiranana ihany koa ny tetikasa Β« Hazavana an’elakelantrano Β», ka elakelatrano 1 kilometatra sy sasany ao amin’ny Fokontany Mahatsara no nisitraka izany voalohany. Naneho ny hafaliany sy fankasitrahany izao fahazoana hazavana teny anivon’ny elakelatrano izao ireo vahoaka sy ny tompon’andraikitra tany an-toerana.
Nanambara Andriamatoa Minisitra fa hatomboka tsy ho ela eto Antsiranana ny Tetikasan’ny fitondram-panjakana Β« Branchement Mora Β» sy fanaparitahana ireo Β« Kits solaire Β».

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiΓ©e. Les champs obligatoires sont indiquΓ©s avec *