
Hafainganina hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny fanatanterahana ny velirano faharoa, ny hazavana ho an’ny tokantrano tsy an-kanavaka, izay antoky ny fiharian’ny tokantrano sy ny fampandrosoana. Mitohy ary ampitomboana hoy izy ireo mpisitraka ny tetikasa « branchement mora » izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena mba hahafahan’ireo tokantrano marefo mahazo herinaratra. Ny fanamby, hoy hatrany ny Filoha, dia ny fizarana ireo « kits solaires » ho ana fianakaviana miisa 1 tapitrisa manerana an’i Madagasikara amin’ity taona ity. Eo ihany koa ny fananganana ireo « parcs solaires » amin’ireo distrika manerana ny Nosy ka hampihena hatramin’ny 75% ny vidin-jiro alohan’ireo mpanjifa.
« Velirano no natao tamin’ny vahoaka ny hampitomboana ny isan’ny tokantrano misitraka herinaratra na io eo anivon’ny tambazotran’ny Jirama na amin’ny alalan’ny « kits solaires ». Tanjona tsy maintsy tratrarintsika miaraka izany » hoy ny Filoha Andry Rajoelina