Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina mba hanatsarana ny tolotra omen’ny orinasa JIRAMA sy mba hanakaiky bebe kokoa ireo mpanjifa dia natsangana ny Jirama Shop. Nitokana izany fotodrafitrasa izany tao Anosizato ny Filoham-pirenena androany 10 martsa 2023. Ity fotodrafitrasa ity, izay hapetraka manerana ny Nosy, dia hanamora ny fampidirana jiro ho an’ireo tokantrano amin’ny alalan’ny « guichet unique », hahafahana manjifa ireo fitaovana fampidirana jiro sy handray ny fitarainan’ireo mpanjifa.
Hafainganina hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny fanatanterahana ny velirano faharoa, ny hazavana ho an’ny tokantrano tsy an-kanavaka, izay antoky ny fiharian’ny tokantrano sy ny fampandrosoana. Mitohy ary ampitomboana hoy izy ireo mpisitraka ny tetikasa « branchement mora » izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena mba hahafahan’ireo tokantrano marefo mahazo herinaratra. Ny fanamby, hoy hatrany ny Filoha, dia ny fizarana ireo « kits solaires » ho ana fianakaviana miisa 1 tapitrisa manerana an’i Madagasikara amin’ity taona ity. Eo ihany koa ny fananganana ireo « parcs solaires » amin’ireo distrika manerana ny Nosy ka hampihena hatramin’ny 75% ny vidin-jiro alohan’ireo mpanjifa.
« Velirano no natao tamin’ny vahoaka ny hampitomboana ny isan’ny tokantrano misitraka herinaratra na io eo anivon’ny tambazotran’ny Jirama na amin’ny alalan’ny « kits solaires ». Tanjona tsy maintsy tratrarintsika miaraka izany » hoy ny Filoha Andry Rajoelina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *