Angovo azo avaozina:
Vonona ny « Tetikasa 46 PS »
Mipetrapetraka tsara avokoa ny rindran-damina amin’ny asa. Vonona ny rehetra hanatontosa ny « Tetikasa 46 PS » fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (Parc Solaire na PS), miisa 46 haorina manerana an’i Madagasikara, sy hanome 50 MW.
Ny fahatongavan’ireo ampahany voalohany amin’ny entana sy fitaovana sisa andrasana amin’ny fiandohan’ ny volana Febroary 2024 dia manomboka ny asa.
An-dalam-panomanana ihany koa ny fiondranana an-tsambo ho an’ireo fitaovana manaraka.
#️⃣ Tontosa teto amin’ny Foiben’ny Jirama eto Ambohijatovo Ambony androany 12 Janoary 2024, ny dinikasa sy tatitra taorian’ny fidinana ifotony nijerena ireo toerana atao filamatra (site pilote), niarahan’ny tompon’andraikitra eto amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH) sy ny eo anivon’ny JIRAMA, ary ireo manam-pahaizana vahiny avy amin’ny HUAWEI, MIBET, LONGI, izay mpiara-miombon’antoka.
Fotoana nametrahana ny lamina sy ireo antsipirihany rehetra amin’ny fanatontosana ny asa. Ohatra ny fanomanana ireo toerana hananganana ny fotodrafitrasa, ny tambazotra hampidirana ny herinaratra ho vokarina, ary famaritana ireo toerana fitobian’ny entana tonga.
Tsiahivina fa Famatsiam-bolan’ny Fitondram-panjakana Malagasy no hanatanterahana ny Tetikasa 46 PS. Tanjona ny hanatsarana ny famatsiana herinaratra ho an’ny vahoaka, sy ny fanenana ny vola lany amin’ny vidin-tsolika ary ny fiahiana ny tontolo iainana.