
Dingana lehibe miroso amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo madio eto Madagasikara no, notanterahana androany 2 Jolay 2024 teto amin’ny Hôtel Carlton Anosy, nandritra ny atrikasa fanombohana ofisialy ny Drafitra hoenti-manazary ny angovo na « Plan Energétique Intégré » (PEI).
#️⃣ Nampahafantarina sy nozaraina androany, ireo fitaovana sy vokatra azo tamin’ny alalan’ny teknolojia (analyses géospatiales).
