ASIEF 2025
✳️ Vonona ny ekipa MEH
✅️ Noraisin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier teto amin’ny biraony Ampandrianomby ireo ekipa izay hisolo tena ny #MEH amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena karakarain’ny #ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires), ho tanterahina any Mahajanga ny 01 – 15 Aogositra 2025.
✴️ Nanome tsodrano ho an’ ireo solontena, Atoa Minisitra, naneho ny fankasitrahana sy fanohanana tanteraka, ary nanentana azy ireo mba haneho ny fahaiza-manao, fanajana ary firaisankina mandritra ny fifaninanana.
▶️ Ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo ihany koa dia manohana sy mirary soa ho azy ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *