Vonona hiroso amin’ny fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio i Madagasikara
Herinandro miavaka ho an’ny angovo madio. Nisokatra teto amin’ny « Hôtel Carlton » Anosy androany 22 Oktobra 2024 ary haharitra 2 andro, ny atrikasa momba ny fampiroboroboana ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio (Atelier de Promotion de la Cuisson Propre à Madagascar). Nanamarika izany, ny fampahafantarana ofisialy ny « Madagascar Clean Cooking Initiative » (MCCI). Tetikasa hivondronan’ireo mpisehatra matihanina manerana ny Nosy. Mahatratra 48 izy ireo ankehitriny, avy amin’ny Faritra 13. Tanjona ny hampiroboroboana ny famokarana fitaovana, sy fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio eto Madagasikara.
Mahatratra 95% amin’ny tokantrano Malagasy (olona 23 tapitrisa) no mbola mampiasa ny fomba fahandroana sakafo amin’ny arina fandrehitra na kitay. Ho an’Antananarivo fotsiny, dia mahatratra 540 taonina isan’andro ny fampiasana arina fandrehitra (charbon de bois). Mamotika ny ala (90.000 Ha isan-taona), ny tontolo iainana (75% amin’ny entona ratsy), sy ny fahasalamana (16.000 ny olona maty isan-taona noho ny faharatsian’ny rivotra iainana) izany.
Fotoana izao hitondrana ny fanovana toe-tsaina sy fahazarana ka hirosoana amin’ny angovo madio. Asa lehibe no miandry, ka mifanome tanana ny rehetra : ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD) ary ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra (MIC). Mpiara-miombon’antoka ny ONUDI, ny PNUD, ny SEforALL, ny WWF, ny PAM.
Tontosa androany ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny MEH, ny MEDD, ny MIC ary ny MCCI. Porofo maneho ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na ny « Partenariat Public Privé » (3P).
Nitarika ny fanokafana androany, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera telo tonta: Atoa ANDRIANTSOA Thierry (MEH), Atoa RASAMOELINA Fidiniaina Moise (MEDD) ary Rtoa RANOELIMANANA RASAMOELY Vahinisoa (MIC). Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Masoivohon’ny Royaume-Uni miasa sy monina eto Madagasikara, ny solontenan’ny PNUD, ary ny solontenan’ny ONUDI.