Fifandraisan’ny MEH sy ireo mpiara-miombon’antoka
⭐Noraisin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, teto amin’ny toeram-piasany eto Ampandrianomby androany 21 Febroary 2024, ny Masoivoho sady Lehiben’ny Delegasion’ny Vondrona Eoropeana (UE), Rtoa Isabelle DELATTRE BURGER.
➡️ Nivoitra nandritra ity fitsidihana ity, ny dinika mahakasika ny fivoaran’ireo tetikasa izay nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeana. Ny tanjona dia ny fampandrosoana ny sehatry ny angovo eto Madagasikara sy ny fampidirana herinaratra any amin’ny tontolo ambanivohitra.
✅ Isan’ny sehatra tena mahaliana azy ireo ny angovo azo avaozina ary vonona izy ireo hifanome tanana amin’ny Fanjakana Malagasy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *