Angovo azo havaozina
Volavolan-dalàna fanaovan-tsonia ny sata mifehy ny IRENA
➡️ Notanterahina ny Alakamisy 13 Jona 2024 , tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny Filan-kevitry ny Minisitra, izay notarihin’ ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry RAJOELINA, ary natrehin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Atoa NTSAY Christian, sy ireo Minisitra isan-tokony.
🌞 Ho an’ny sehatry ny angovo, dia nolaniana ny volavolan-dalàna fanaovan-tsonia ny sata mifehy ny IRENA na « Agence Internationale pour les Energies Renouvelables » .
🌎 Ny IRENA dia vondrona miorina ho fampiroboroboana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Tanjona ny hanohanana ireo firenena miroso amin’ny famokarana angovo madio. Ny fanaovan-tsonia ny sata mifehy ny IRENA dia anisan’ireo dingana hahafahan’i Madagasikara miditra ho mpikambana feno eo anivon’ny vondrona.
📸 Sary fanehoana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *