voin-kava-mahatratra
➡️ 30 Marsa 2024 : Nanohy ny fitsidihana sy fampaherezana ireo traboina tao amin’ny Fokontany Sahavola, Fenoarivo Atsinanana, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier. Fianakaviana miisa 22 no notolorana fanampiana.
✳️ Laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana ny fitsinjovana ny maha-olona, indrindra ao anatin’ny voina izay mahazo ny mpiray Tanindrazana vokatry ny rivodoza « Gamane ».
✅️ Nisy ihany koa ny fihaonana teo amin’Atoa MEH sy ireo manam-pahefana ao amin’ny Faritra Analanjirofo. Tanjona ny hitondra anjara biriky ho an’ny tsirairay manoloana ny adidy tokony ho tanterahina amin’ireo traboina. Nanatrika izany ny Solombavambahoaka, ny Governora mpisolo toerana, ny « Préfet », ny Ben’ny Tanàna, ny Tale eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina, ny solontenan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy, ny avy amin’ny BNGRC ary ny avy amin’ny Zandarimaria sy Polisim-pirenena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *