[REQ_ERR: OPERATION_TIMEDOUT] [KTrafficClient] Something is wrong. Enable debug mode to see the reason.
Voafaritra ny hananganana ny 5 MW eto Fianarantsoa - Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures
Ministère de l'Énergie et des Hydrocarbures
Voafaritra ny hananganana ny 5 MW eto Fianarantsoa
Tetikasa 50MW
Voafaritra ny hananganana ny 5 MW eto Fianarantsoa
Vita famaritana (bornage), ny tany hananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eto #Fianarantsoa.
Fotodrafitrasa hanana tanjaka 5MW, izay tafiditra ao anaty «#Tetikasa_50MW», araka ny toromarika avy amin’ny Filohan’i Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry RAJOELINA.
Voafaritra ny 20 Janoary 2025 arak’izany, ny tany handraisana ny #5MW eto amin’ny Fokontany Marodinta, Kaominina Talata Ampano, Distrika Vohibato, hanampy ny famokarana herinaratra eto Fianarantsoa.
Solontenam-panjakana nanatontosa ny asa famaritana, ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo mpisolo toerana (#DIEH p.i.) Fianarantsoa, Atoa JOANY Randriamanantena Lucien, sy ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny : Ben’ny Tanàna, Solontenan’ny Fananan-tany, Ny #BIF (Birao Ifoton’ny Fananan-tany) ary ny Sefo Fokontany.
Marihina fa mahatratra 12MW ny famokarana herinaratra eto an-toerana raha 8MW ny filàn’ny mponina ankehitriny.