
Africa Summit Energy (M300)
Vita sonia ny « Pacte Energétique » ho an’i Madagasikara

Nifarana ny 28 Janoary 2025 ny andro faharoa amin’ny fihaonana an-tampony momba ny Angovo (Africa Summit Energy) na
#M300, natrehin’ireo Filoham-pirenena Afrikanina miisa 32 izay notontosaina tao Dar Es Salaam, Tanzanie.

Nanamarika izany ny fahavitan’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana nasionaly amin’ny Angovo eto Madagasikara (Pacte National Energétique de Madagascar), izay manana tanjona ny hampitombo avo roa heny ny tahan’ny vahoaka Malagasy misitraka herinaratra, hatramin’ny taona 2030.

Fotoana nahafanan’ny Governemanta Malagasy notarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Atoa Andry RAJOELINA, namelabelatra ireo vina sy tetikasa hoentina mampiroborobo ny sehatry ny angovo azo havaozina, ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny mpiray Tanindrazana. Nandray anjara mavitrika ny Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (
#MEF) Rtoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo, sy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH) Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier.

Misedra olana lehibe ny famokarana herinaratra eto Madagasikara noho ny fiovaovan’ny toetry ny andro indrindra mandritra ny fotoanan’ny main-tany. Zara raha mahatratra 25% sisa ankehitriny ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny rano, izay miteraka ny fiankinan-doha amin’ny famokarana herinaratra avy amin’ny solika, ka mitarika fandaniana goavana amin’ny kitapom-bolam-panjakana (subventions).

Antso avo no natao tamin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka ary ny sehatra tsy miankina ho fanohanana ireo tetikasa maro eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. Nanamafy izany ireo fihaonana isan-karazany, hifanome tanana amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy, hanatrarana ny tanjona. Ohatra ny niarahana tamin’ny FMI, The Arab Contractors, SEforALL, ALSF, PROPARCO, AFD, HUSK, SCATEC, ASEA.

Fanamby lehibe ny fampisitrahana angovo madio sy maharitra ary amin’ny vidiny takatry ny daholobe, izay mitaky firaisan-kinan’ny rehetra. Porofo amin’izany ny fanohanana ny hetsika « M300 » avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena (
#BM) sy ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (
#BAD).