
Ho fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara, dia himasoana ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany. Tontosa tany Bali Indonezia, ny 3 Septambra ny fanaovan-tsonia, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Indonezia. Ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano no himasoana .