




#️⃣ Araka ny nambaran’Atoa MEH, ny tetikasa izay atsangana toy izao dia dingana iray entina hanehoana amin’ny vahoaka Malagasy fa tongotra mby an-dakana ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina. Tanjona ny amaliana ny hetahetam-bahoaka araka izay efa nampanantenaina. Anisan’izany ny fitsinjovana manokana ny lafiny ara-tsosialy sy ny fandriam-pahalemana, amin’ny alalan’ny fanomezana jiro amin’ny sandany zakan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy ka ahafahan’ny mponina mivelatra amin’ny famokarana ara-tsosialy ary mahafantatra ny tontolo manodidina.

