Angovo azo havaozina
🌞Varavarana misokatra momba ny angovo azo avy amin’ny masoandro
➡️ Hilofosana ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina, ka anisany ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Toy ny tany Toliara, dia anjaran’ny teto Antananarivo indray no nisitraka ny hetsika varavarana misokatra, ny 31 Aogositra 2024, teto amin’ny LTP Alarobia , mikasika ny fampahafantarana ny fampiofanana ho teknisianina matihanina amin’ny fikirakirana fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, (formation qualifiante de techniciens en systèmes solaires photovoltaïques).
▶️ Mikasika ny fepetra takiana dia, tanora 18 hatramin’ny 25 taona, efa nianatra elektroteknika hatramin’ny ambaratonga fahatelo, na efa nianatra hatramin’ny kilasy famaranana siantifika , manana bakalorea na tsia , na manana mari-pahaizana BEPC miaraka amin’ny traikefa roa taona farafahakeliny amin’ny fikirakirana herinaratra no afaka misitraka ny fampiofanana.
Tamin’ny tapany maraina, dia efa nahatratra 84 ireo nisoratra anarana hanaraka ity sampam-piofanana ity, izay fiara-hamiasan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), sy ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (METFP), ary tohanan’ny « Coopération Allemande » amin’ny alalan’ny Tetikasa PERER/GIZ.
✳️– Ny volana Septambra ho avy io no fandraisana ireo fisoratana anarana sy fanaovana sy sivana amin’ny antotan-taratasy. Ny Volana Oktobra 2024 kosa no hanomboka ny andiany voalohany amin’ny fiofanana, ary haharitra 8 volana izany. Ny 60% amin’ny fiofanana dia miendrika fampiharana (pratique) eny anivon’ny orinasa, ary ny 40% no lesona (théorie) eto amin’ny LTP Alarobia sy LTP Toliara. Hahazo taratasy fanamarinana fahavitana ny fiofanana ireo teknisianina aorian’ny fianarana, ka hanana safidy na hiditra hiasa avy hatrany eo anivon’ny orinasa, na hiasa tena. Orinasa 4 no nandefa solontena nitondra fanazavana tamin’ireo mpanatrika, dia ny SOCOTEC, ny MADAGREEN, ny ANKA, ary ny SQ VISION.
❇️ Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny METFP, Rtoa RASOLOARISOA Marie Marcelline notronin’ny solontenan’ny MEH ary ny Tale lefitry ny LTP Alarobia Rtoa RAMANANJANAHARY Holiarisoa Colette.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *