Hazavana ho an’ny daholobe
Vahaolana hoentina ny angovo azo havaozina
✳️ An-dalam-piovana ny sehatry ny angovo ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Hanan-danja lehibe ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina. Ohatra ny fampivadiana (hybridation) ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny solika, amina tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro. Mila hatramin’ny 600 MWc izany manerana an’i Madagasikara.
▶️ Nitohy ny 13 Jona 2025 teto Tsimbazaza, ny fivoriambe fifanatrehana mivantana eo amin’ny mpikambana amin’ny Governemanta sy ireo Solombavambahoaka.
✴️ Nitarika ny fotoana ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Atoa TOKELY Justin notron’ireo mpikambana eo anivon’ny Birao maharitra.
*️⃣ Nitohy omaly ny fametrahana fanontaniana sy fitondrana ny hetahetan’ny vahoaka avy amin’ny Distrika iadidian’ ireo Solombavambahoaka tsirairay avy.
➡️ Ho an’ny sehatry ny angovo, dia niraisan’ny ankamaroan’ireo Solombavambahoaka, ny momba ny olan’ny fahatapahan-jiro misy eto Madagasikara, indrindra amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (#RIA).
✅️ Nitondra fanazavana momba izany ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, ary nitondra vahaolana ihany koa hanalefahana na hanafoanana mihitsy ny olan’ny fahatapahan-jiro. Anisany ny Tetikasa #105MW, tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny menaka mavesatra.
👉 Niresaka ihany koa momba ireo asa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro toy ny etsy Ambatomirahavavy, ny asa fanitarana sy ezaka fanatsarana ny famatsiana herinaratra, ny fanazavana ny lalambe sy elakelantrano, araka ny vinan’ny Fitondram-panjakana Malagasy. Eo ihany koa ireo tetikasa goavana, tahaka ny #Sahofika, sns.
⏹️ Nifarana omaly moa ity Fifanatrehan’ny mpikambana amin’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka natao teto Tsimbazaza ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *