Hazavana ho an’ny daholobe

Vahaolana hoentina ny angovo azo havaozina

An-dalam-piovana ny sehatry ny angovo ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Hanan-danja lehibe ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina. Ohatra ny fampivadiana (hybridation) ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny solika, amina tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro. Mila hatramin’ny 600 MWc izany manerana an’i Madagasikara.

Nitohy ny 13 Jona 2025 teto Tsimbazaza, ny fivoriambe fifanatrehana mivantana eo amin’ny mpikambana amin’ny Governemanta sy ireo Solombavambahoaka.

Nitarika ny fotoana ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Atoa TOKELY Justin notron’ireo mpikambana eo anivon’ny Birao maharitra.

Nitohy omaly ny fametrahana fanontaniana sy fitondrana ny hetahetan’ny vahoaka avy amin’ny Distrika iadidian’ ireo Solombavambahoaka tsirairay avy.

Ho an’ny sehatry ny angovo, dia niraisan’ny ankamaroan’ireo Solombavambahoaka, ny momba ny olan’ny fahatapahan-jiro misy eto Madagasikara, indrindra amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (
#RIA).

Nitondra fanazavana momba izany ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, ary nitondra vahaolana ihany koa hanalefahana na hanafoanana mihitsy ny olan’ny fahatapahan-jiro. Anisany ny Tetikasa
#105MW, tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny menaka mavesatra.

Niresaka ihany koa momba ireo asa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro toy ny etsy Ambatomirahavavy, ny asa fanitarana sy ezaka fanatsarana ny famatsiana herinaratra, ny fanazavana ny lalambe sy elakelantrano, araka ny vinan’ny Fitondram-panjakana Malagasy. Eo ihany koa ireo tetikasa goavana, tahaka ny
#Sahofika, sns.

Nifarana omaly moa ity Fifanatrehan’ny mpikambana amin’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka natao teto Tsimbazaza ity.