Angovo azo havaozina
Tosika ho an’i Madagasikara ny AEF (Africa Energy Forum)
➡️ Mandroso hatrany isika mampiroborobo ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara.
▶️ Tsiahivina fa ny Fanjakana Malagasy amin’ ny alalan’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (#MEH) dia manana tanjona ny hampitombo avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.
✅️ Miompana amin’ izany indrindra ny fivoriana sy fihaonana notanterahina nandritra ny 4 andro, tany Cape Town tao Afrika Atsimo, dia ny « Africa Energy Forum 2025 » (#AEF2025). Nandray anjara feno ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier sy ny Tale Jeneraly Atoa RAMIANDRASOA Sambatra.
⏹️ Ny 18 Jona 2025, dia nisongadina tamin’ny fihaonana, ny Fandaharanasa fampisitrahana angovo ho an’ny mponina miisa 300 tapitrisa aty Afrika, (#M300). Ny Fanjakana Malagasy dia manana ny « Pacte Energetique de Madagascar » (#PEM), izay mifandraika amin’ny vinan’asan’ny M300. Fanoitra goavana hanatrarana ny tanjona, ny firosoana lalina amin’ny fampiasana angovo azo havaozina, ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, ny fanatsarana ny fitantanana ny sehatra ny angovo, ny fanarenana ny orinasam-panjakana, ny fandrahoan-tsakafo amin’ny fomba madio.
Tosika ho antsika ny nandraisana anjara tamin’ny AEF.
✴️ Tarigetran’ny fihaonana ny :
– Famelabelaran-kevitra sy fivoriambe momba ny sehatry ny angovo azo havaozina, toy ny fanafangainana ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rano aty Afrika
– Fifanakalozan-kevitra amin’ireo orinasa tsy miankina sy mpisehatra amin’ny angovo azo havaozina, hisian’ny fiaraha-miasa, ohatra ny orinasa mpanangana tobim-tobim-pamokarana herinaratra : CHINA ENERGY, SCATEC, HUAWEI, JINKO Solar, sns
– Fihaonana amin’ny mpamatsy vola toy ireo solontena isan-tsokajiny avy amin’ireo Banky isan-karazany misahana fampandrosoana, ireo mpiara-miombon’antoka amin’ireo tetikasa eto Madagasikara, ireo sampana ao anatin’ny Firenena Mikambana, misehatra amin’ny angovo azo havaozina : IFC/Banque Mondiale momba ny famokarana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra
– ⁠Fivoriana manokana niaraka amin’ireo naneho ny fahavononana hamatsy sy hanosika ny tetikasa #SAHOFIKA (200MW).

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *