Angovo azo havaozina
Tontosa androany ny COPIL / FIER
✅ Tontosa androany 24 Mey 2024 tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona, ny fivorian’ny Komity Mpitantana (COPIL) ny Tetikasa « Famatsiam-bola Iombonana amin’ny Angovo Maharitra » (FIER). Ny FIER dia Tetikasan’ny Fitondram-panjakana Malagasy, eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF), ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD); ary iaraha-manatontosa amin’ny PNUD, ny ONUDI sy ny UNCDF.
▶️Tanjona ny hanampiana tan-tsoroka amin’ny famatsiam-bola sy fiofanana ho an’ireo manana tetikasa amin’ny tontolon’ny angovo azo havaozina. Tafiditra amin’izany ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, ny fomba hoenti-mahandro sakafo avy amin’ny angovo madio (Clean Cooking/Cuisson Propre) ary ny fanjariana ara-angovo (Efficacité Energétique).
🔶 Nanokatra ny fivoriana ny MEF, Rtoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo. Nambarany fa afaka mamokatra herinaratra hatramin’ny 7.800 MW i Madagasikara raha ny avy amin’ny rano. Hatramin’ny 2.000 MW izany raha ny azo avy amin’ny rivotra, ary avo 3 hatramin’ny 4 heny amin’ny Eoropa Avaratra sy Andrefana raha ny avy amin’ny masoandro.
❇️Nomarihin’ny MEH, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, fa hafainganina ny fanatanterahana ireo Tetikasa rehetra eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Laharam-pahamehana, ny hampitombo avo 2 heny ny famokarana herinaratra, ary avo 3 heny ny taham-pisitrahana herinaratra eto Madagasikara. Ny fanatanterahana izany rehetra izany dia ilaina tolo-tanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina (3P).
⭐ Nohamafisin’ny Solontena Maharitry ny PNUD eto Madagasikara, Rtoa Natasha VAN RIJN, fa ho hita maso sy azo tsapain-tanana ny fandrosoan’ny Tetikasa FIER ato anatin’ny volana vitsy ho avy. Mahatratra 80.000 ny olona hisitraka izany, ary misy orinasa 40 mahery no efa naneho fahavononana hiditra amin’io Tetikasa io.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *