Tontolo maitso
Mandray anjara feno ny sehatry ny Angovo
Hôtel Panorama Andrainarivo, 30 janoary 2024 – Tontosa teto ny dinikasa niarahan’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH) tamin’ireo solontena maro misehatra momba ny Tontolo maitso, ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-tokony. Anisany ny ONUDI, ny OPEC Fund ary ny SE FOR ALL.
Lohahevitra ny » Cuisson propre et reforestation », izay vinan’ny Fanjakana Malagasy, hitodiana any amin’ ny angovo madio sy ny Tontolo maitso. Tarigetra ny hialana tsikelikely amin’ny fampiasana ny arina fandrehitra (Charbon de bois), izay tena manimba ny ala sy ny tontolo iainana.
Ny tanjona lavitrezaka amin’izany dia ny fitarihana ny isan-tokantrano hiova fahazarana ka hampiasa ny angovo madio mba hikajiana sy hiarovana ny tontolo iainana. Mitarika ny asa ho an’ny MEH, ny Fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny « éthanol » sy ny angovo avy amin’ny akora biolojika (DPEBIO).