✔️ Haravoana ny an’ireo mpanjifa vaovao izay misitraka herinaratra amin’ny alalan’ny Tetikasa « Branchement Mora » ao amin’ny Distrikan’i Mananjary, izay natomboka eto amin’ny Fokontany Andovosira.
➡️ Tanjona ny hampisitraka hazavana tokantrano miisa 1.000 eto Mananjary. Mahatratra 419 izao no nisoratra anarana, raha 224 no efa nandoa ny sarany ho famandrihan-toerana. Kaontera miisa 221 no ezahina ho apetraka hatramin’ny faran’ny volana Aogositra .
Mitohy hatrany ny fisoratana anarana eny anivon’ny Fokontany sy any amin’ny Masoivohon’ny JIRAMA eto Mananjary .
▶️ Araka ny voalazan’ireo mponina, dia zava-dehibe sy mitondra fampandrosoana ho an’ny tokantrano ny fahatongavan’ny herinaratra amin’ny alalan’ny « Branchement Mora ».
#️⃣ « Jiro Mora, malaky » araka ny Velirano faha-2 nataon’Atoa Filoham-pirenena Malagasy : « Angovo ho an’ny daholobe ».
Ankoatra izay dia nahazo jiro « cobra » miisa 75 ny Distrikan’i Mananjary, ka ny 50 amin’ireo no efa manazava ny elakelan-trano izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *