
« Jiro Mora, malaky ». Tokantrano miisa 1.500 no tanjona, hisitraka herinaratra amin’ny alalan’ny tetikasa « Branchement Mora » ao Manakara. Natomboka androany 25 Jolay 2023 ny fampidiran-jiro ho an’ireo mpanjifa vaovao. Araka ny fanazavan’ny Talem-paritry ny Angovo sy Akoran’afo (DIEH) Fianarantsoa, dia 700 izao no isan’ireo efa nisoratra anarana. 400 no efa nahavitana tombana amin’ny saran’ny fampidirana ny jiro (devis), ary 110 amin’ireo no efa nahaloa ny sarany ka hisitraka jiro tsy ho ela.