Angovo azo havaozina
Tombony ho antsika ny AMP
✳️ Miroso lalina amin’ny fampiroboroboana ny Angovo azo havaozina isika eto Madagasikara.
✅️ Nanatanteraka fidinana ifotony tamin’iny Faritra Atsimon’ny Nosy (Faritra Anosy sy Androy) ny Delegasiona Kaomoriana tompon’andraikitra eo amin’ny sehatry ny angovo, nandritra ny fisidihana ofisialy nataony teto Madagasikara. Fiaraha-miasa tafiditra ao anatin’ ny Tetikasa  » Africa Mini Grid Project » (#AMP), izay miompana indrindra amin’ny fananganana tambazotra madinika tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro amin’ny tontolo ambanivohitra.
➡️ Nijery ireo fotodrafitrasa famatsiana herinaratra, « Système hybride », manana tanjaka 35,6 kWc ao amin’ny Hopitaly ao Faradofay, ao anatin’ny fandaharan’asa « #Solar4Health« . Nitsidika ihany koa ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro manana tanjaka 3 500 Wc, natsangana ho fanampiana ny fikambanan’ireo mpiompy tantely.
*️⃣ Tao Androy dia nijery ireo tambazotra ao Antanimora sy Andaboly manana tanjaka 83,2 kWc, manana vatoaratra 403kWh ary « groupe électrogène » 60kVa. Ireo dia mamatsy toerana izay tsy mbola nisitraka herinaratra hatrizay.
🤝 Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Fitondram-panjakana Kaomoriana, ho fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina, amin’ny alalan’ny Tetikasa AMP.
✴️ Taorian’ny fidinana ifotony tany amin’ny Faritra Atsimo ny 22 hatramin’ny 25 Mey lasa teo dia nanatanteraka Atrikasa tao amin’ny « Hôtel Radisson Blu » Ambodivona ny 26 Mey 2025 ireto Delegasiona ireto niaraka tamin’ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ireo Rantsamangaikany. Nandray anjara mavitrika ihany koa ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, niara-nidinika momba ny fiaraha-miasa azo hatao.
🌞 Tanjona iraisana ny fampiroboroboana ny tambazotra madinika tobim-tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro: vahaolana maharitra sy mahomby ara-bola, miorina amin’ny modely ara-barotra mitsinjo ny tombontsoan’ny rehetra indrindra fa ny vahoaka. Hanohana ny fampiasana angovo azo havaozina amin’ny asa famokarana eny ambanivohitra, ary koa hamoronana asa ho an’ ireo tanora sy vehivavy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *