Tobim-pamokarana herinaratra 105 MW:
Mamarana ny asa fananganana
⏳Andro sisa isaina. Ny volana Janoary/Febroary 2024 no ho vita tanteraka ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra manana tanjaka 105 MW etsy Ambohimanambola. Andrasana ankehitriny ny fahatongavan’ireo milina (blocs moteurs) atsy amin’ny Nosy Maorisy. Vao tonga ireo dia hoentina fiaramanidina lehibe (avion gros porteur) eto Madagasikara.
➡️ Miisa 7 ireo « blocs moteurs », samy manana tanjaka 15 MW isanisany, ary mandeha amin’ny solika mavesatra (HFO). Tanjona ny hanampiana ny famokarana herinaratra ho an’ny Tambazotra Iraisan ‘Antananarivo (RIA). Ny Fanjakana Malagasy no miantoka tanteraka ny famatsiam-bola amin’ ny asa fananganana ity tobim-pamokarana herinaratra 105 MW etsy Ambohimanambola ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *