Ny Alarobia faha 25 Janoary 2023 lasa teo no nihaona tamin’ny Minisitra Andry RAMAROSON ireo mpandraharaha mpitantana avy amin’ny orinasa NEHO, Nouvelle Energie Hydroélectrique de l’Onive, izay mpiaramiombon’antoka amin’ny fanjakana Malagasy amin’ny famokarana herinaratra ao Sahofika. Lahadinika tamin’izany ny fanamboarana ny làlana mankany amin’ny toerana hisy ny barazy sy ny tobi-pamokarana izay vinavinaina hatomboka amin’ity taona 2023 ity. Voaresaka ihany koa ny famatsiam-bola ho fanatanterahana ny asa.
Marihina fa ity toeram-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rano ao amin’ny reniranon’ny Onive ao Sahofika ity dia hanana tanjaka 192 MW. Hahazo tombony amin’ny tambazotra-pifandraisana Antananarivo Toamasina sy Fianarantsoa. Tetik’asa isan’ny nosoniavina ny 15 novambra 2021 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha .
Nanatrika izao fihaonana izao ny avy amin’ny orinasa NEHO, ny mpikambana vitsivitsy avy amin’ny filankevim-pitantanan’ny JIRAMA izay notarihin’ny Filohany ary indrindra ny avy eto amin’ny Ministeranan’ny Angovo sy ny Akoranafo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *