TOAMASINA I
Io hariva io no nanantanterahanay avy ao amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Tananan’i Toamasina Renivohitra ilay Velirano faharoan’i Filohampirenena Andry Rajoelina dia ny « Hazavana hoan’ny rehetra. » Niavaka kely ity takariva ity satria raha ny nahazatra hatramin’izay dia ny elakelantrano no niezahanay avy ao amin’ny minisitera sy ny Jirama nohazavaina fa nohon’ny fangatahan’i Monsieur le Maire sy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena dia nampisitrahana izany hazavaina izany ihany koa ny arabe fivezivezen’ireo fiara.
Tanambao 1, Tanambao 2, Tanambao 3 ary ny Tanambao 5 ato anatin’ny kaominin’i Toamasina 1 dia samy nisitraka izany velirano faharoan’i Filoha izany androany faha 13 janoary 2024.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *