Mitohy ny fampisitrahana ilay velirano faharoan’i Filoha Andry Rajoelina « Hazavana maimaimpoana hoan’ny rehetra » taty amin’ny tanànan’i Toamasina ka fokontany anakiroa (Verrerie sy Andranomadio) no nisitraka ilay tetikasa « Hazavao ny elakelan-trano. » anio 29 avril 2023. Ramatoa Minisitry ny Asa-tanana sy Haitao Sophie Ratsiraka izay minisitra Mpiahy ny faritra Atsinanana no tonga taty an-toerana nisolon-tena an’Andriamatoa Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Solo Andria tamin’ity lanonana tsotsotra ity.
Amin’ny anaran’ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo sy ny Jirama ary ny Commune Urbain n’ny tanànan’i Toamasina no anoloranay fisaorana an’i Ramatoa Minisitry Asa tanana sy Haitao ary koa ny Loholona Donat Tang nahafohy fotoana niaraka taminay tamin’ity andro azo lazaina fa efa alina ihany ity🙏🙏

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *