Tetikasa VOLOBE
Tontosa ny fametrahana vato fehizoro
Fotoan-dehibe raiketin’ny tantara ny androany 9 Aogositra 2024. Anisan’ny dingana firosoana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa VOLOBE ny fanorenana fotodrafitrasa ho an’ireo mpiasa hiandraikitra ny asa fananganana. Notanterahina teto amin’ny Fokontany Ambodimanga, Kaominina Ambodilazana, Distrikan’i Toamasina II ny fametrahana ny vato fehizoro ho fanamarihana ny fanombohan’ny asa, izay hananganana birao isan-karazany sy toeram-ponenana ho an’ireo mpiasa. Nitarika izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, sy ny Tale Jeneralin’ny CGHV, Atoa Remy HUBER.
Ny tetikasa Volobe dia tsiahivina fa, hiompana amin’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano izay hanana tanjaka 120MW, ary hamokatra 750 GWh isan-taona ka hanampy tosika ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA) sy Toamasina (RIT). Mirefy 25m ny haavon’ny tohadrano hatsangana ary 300m ny sakany. Tokantrano 2 tapitrisa no hahazo tombontsoa amin’ny fisitrahana herinaratra ary mahatratra 1.500 ny asa hiforona amin’ny alalan’ny tetikasa.
Nanambara ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo fa porofon’ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana Malagasy sy ny sehatra tsy miankina (3P) ny fanatanterahana ny tetikasa VOLOBE, ary tafiditra amin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) izay manome lanja ny fitsinjovana ny maha-olona, ny fahaiza-mitantana ary ny fampandrosoana ara-toekarena. Tanjona ny hampitombo avo 2 heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.
Anisan’ny tonga nanome voninahitra ny lanonana fametrahana ny vato fehizoro androany, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Toamasina II, ny Lehiben’ny Prefektioran’ny Toamasina, ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambodilazana sy Kaominina Ifito, ny Ben’ny Tanàna Lefitra an’ny Kaominina Fanadrahana, ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny MEH sy ny JIRAMA.
Taorian’ny fametrahana ny vato fehizoro, dia nitsidika ny tohadrano sy ny toerana misy ireo milina mpamokatra herinaratra VOLOBE 1 ny delegasiona. Io tohadrano io moa dia namboarina tamin’ny taona 1931, ary manome tanjaka hatramin’ny 5 MW.