Tetikasa Volobe (Projet Volobe Amont)
🇲🇬 : Dingana lehibe ho an’ny fampandrosoana ny tetikasa Volobe Amont ny fanatevenan-daharan’ny EDF ho isan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana azy, eo anilan’ny AXIAN sy Africa50. Ity fiaraha-miasa ity dia natao mba hanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika sy ara-bola mikasika ny tetikasa.
Ny fifanaovan-tsonia, izay notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ary natrehin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry RAJOELINA sy ny Filohan’ny Repoblika Frantsay, Atoa Emmanuel MACRON, dia mirakitra ny ny fifanarahana momba ny famolavolana, ny famatsiam-bola, ny fanamboarana ary ny famokarana herinaratra avy amin’ny rano ao Volobe sy ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’ny tetikasa.
Nosoniavina tamin’izany koa ny fifanarahana momba ny petrabola vaovao ka : AXIAN Energy sy EDF Renewables dia samy manana 37,5%, raha 25% kosa ny an’ny Africa50. Hanatevin-daharana amin’ny 20% ny petra-bola kosa ny Fanjakana malagasy.
Ny tetikasa dia mandroso amin’ny lafiny samihafa:
1️⃣ Lafiny ara-bola: mandroso mankany amin’ny famaranana ny fifanarahana ara-bola ireo mpiara-miombon’antoka, izay tohanan’ny IFC sy ny Vondrona Banky Iraisam-pirenena. Ny famatsiam-bola azo antoka no hanatsara ny toe-bola hanatanterahana ny tetikasa.
2️⃣ Lafiny ara-teknika: hisy antso ho an’ny tolo-bidy hivoaka amin’ny herinandro ho avy. Ary nohamafisina ny fandinihana ny haibolantany sy ny sori-drano mba ho azo antoka kokoa.
3️⃣ Lafiny ara-tsosialy sy tontolo iainana : nisokatra ny birao tao Toamasina sy Volobe, ary mifanaraka amin’ny didy aman-dalàna eto an-toerana sy ny fenitra iraisam-pirenena, indrindra eo amin’ny resaka famindran-toerana, ny zava-miaina samihafa ary ny fanohanana ara-tsosialy.
🇫🇷 : Le projet hydroélectrique Volobe Amont a franchit une étape clé avec l’arrivée d’EDF dans le consortium, aux côtés d’AXIAN et d’Africa50. Ce partenariat renforce les compétences techniques et financières du projet, visant à garantir un accès stable à l’énergie pour le pays.
Cette évolution s’est concrétisée par la signature d’un nouveau pacte d’actionnaires de la Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe (CGHV) et d’un avenant à la concession portant sur la conception, le financement, la construction, l’exploitation et, à terme, le transfert de la centrale hydroélectrique de Volobe Amont et de ses infrastructures associées à l’État malagasy. La cérémonie a eu lieu au Palais d’État d’Iavoloha, en présence du Président de la République de Madagascar, Monsieur Andry RAJOELINA et du Président de la République Française, Monsieur Emmanuel MACRON.
Un nouvel accord actionnarial a été signé, modifiant la répartition du capital : AXIAN Energy et EDF Renouvelables détiendront chacun 37,5 %, tandis qu’Africa50 en aura 25 %. L’État malgache rejoindra le consortium à hauteur de 20 % lors de la clôture financière.
Le projet continue de progresser sur plusieurs plans :
1️⃣Financier : les actionnaires avancent vers bouclage financier avec l’appui de la SFI et du Groupe Banque mondiale. Des financements concessionnels sont mobilisés pour améliorer les conditions économiques du projet.
2️⃣Technique : un appel d’offres sera lancé dans les prochaines semaines. Les études géologiques et hydrologiques ont été actualisées pour fiabiliser le site.
3️⃣Socio-environnemental : des bureaux ont été ouverts à Toamasina et Volobe, et les actions engagées suivent les réglementations locales et les standards internationaux, notamment en matière de relocalisation, de biodiversité et d’accompagnement social.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *