
Nitarika ny lanonam-pitokanana ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa Ny Solofo ANDRIANTSOA. Nanotrona sy nanome voninahitra, ireo olom-boafidy isan-tsokajiny sy ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tokony, ny delegasiona avy amin’ny CGHV, notarihin’ny Tale Jeneraliny, Atoa Rémy HUBER ary ireo vahoaka eny an-toerana.