Tetikasa “Tana Medium Ring”
Hatao laharam-pahamehana ny Tetikasa “Tana Medium Ring ” (TMR) izay nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny EXIMBANK any Chine, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Governemanta Malagasy sy Sinoa. Anisan’ny tetikasa goavana hananganana zotra fitaterana herinaratra. Hanohanana sy hanatsarana ny famokarana sy fitaterana ary fitsinjarana herinaratra ho an’ny Faritra Analamanga, sy Vakinankaratra hatrany Itasy. Tanjona ihany koa ny hampitombo ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra, izay mifanindran-dalana amin’ny andry iankinan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, dia ny fampivoarana ny maha olona sy ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra io, izay natao ny Alarobia 7 Aogositra 2024 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony izay misahana ny fampandehanan-draharaha andavanandro,
Tsiahivina ho an’ny ny Tetikasa TMR, ny orinasa TPBEA no hanatontosa ny asa. « Sous stations » miisa 8 no hatsangana miaraka amin’ireo ny « pylône » milanja ny tambazotran-tariby mirefy 185 km izay mitondra herinaratra mahery vaika 90 KiloVolt. Tafiditra ao anaty asa ihany koa ny fanorenana toerana fanamboarana fitaovana manova herinaratra « unité de montage de transformateurs MT/BT » ao Imerintsiatosika.