Tetikasa « Tanà Medium Ring » (TMR) :
Henoina ny hevitry ny vahoaka
🛠️ Asa fananganana fotodrafitrasa vaovao no atao. Noho izany dia ambony indrindra ny vahoaka ka tsy atao tompon-trano mihono, satria ny tombontsoany no lalaina. Tanterahana mandritra ny 17 andro nanomboka ny 17 Jolay 2023 ato anaty Faritra Analamanga, Vakinankaratra ary Itasy, ny fakàna ny hevitry ny vahoaka ifotony momba ny tetikasa « Tanà Medium Ring » (TMR). Atao miaraka amin’izany, ny famelabelarana ny valin’ny fanadihadiana momba ny fiantraikan’ny tetikasa amin’ny ara-tontolo iainana sy sosialy.
⚖️ Didian’ny Lalàna 6830 tamin’ny 2001 na « décret MECIE » ny fanaovana ny tombana, ho fampirindrana ny tetikasa amin’ny tontolo iainana, araka ny sata mifehy ny tontolo iainana eto Madagasikara. Nanaovana ny fanombohana ofisialy, ny tao amin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo. Mandrafitra ny Komity manao ny fanadihadiana, ny solontenan’ny avy ao amin’ny : Ofisim-pirenena ho an’ny Tontolo Iainana (ONE) eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany (MATSF), ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo (MEH) ary ny GLW International. Nahazo ny tolobidy hanao ny asa, ny Orinasa « TPBEA ». Tombanana herintaona mahery hatramin’ny 2 taona ny fahavitan’ny asa.
▶️ SS miisa 8 sy tariby mirefy 185 km
#️⃣ Fanatsarana sy fanamafisana ny fitaterana sy fitsinjarana herinaratra no tanjona. Koa, « Sous-station » (SS) miisa 8 no hatsangana ao : Ambohijanaka, Antananarivo Atsimo 2, Antananarivo Andrefana 2, Behenjy, Antsirabe Andrefana, Imerintsiatosika, Antsipolitra, Antanifotsy. Miaraka amin’ireo ny « pylône » milanja ny tambazotran-tariby mirefy 185 km izay mitondra herinaratra mahery vaika 90 KiloVolt, hanampy ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA), izany hoe vahaolana sy fanatsarana. Ato anaty Faritra Analamanga : misy Kaominina 9 no voakasika ho an’Antananarivo Atsimondrano, raha Boriboritany iray izany ho an’Antananarivo VI. Ao amin’ny Faritra Itasy dia kaominina 3 no voakasika ao anaty Distrikan’Arivonimamo. Ho an’ny Faritra Vakinankaratra kosa dia toy izao :
– Ambatolampy : Kaominina 7
– Antanifotsy : Kaominina 3
– Antsirabe I : Kaominina 3
– Antsirabe II : Kaominina 4
⭐ Tafiditra ao anaty asa koa ny fanorenana toerana fanamboarana fitaovana manova herinaratra « unité de montage de transformateurs MT/BT » ao amin’ny SS Imerintsiatosika, ary ny famatsiana ireo fitaovana ilaina amin’ny fananganana tambazotra fitsinjarana herinaratra.
✔️ Tao amin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo, dia naneho ny hafaliany sy nanome tsodrano ny solontenan’ny mponina, taorian’ny fakan-kevitra. Afa-po tamin’ny valiny nomen’ireo teknisiana izy ireo momba ireo fanontaniana nanitikitika azy ireo. Anisany, ny fanonerana ho an’ny tompon’ny tany voakasiky ny tetikasa. Ezaka ataon’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoran’afo izao, ho fanatanterahana ny Velirano faha-2 nataon’Atoa Filoham-pirenena Malagasy : « angovo ho an’ny daholobe ».

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *