Nahazo ny fankatoavana tamin’ny Solombavambahoaka ny Volavolandalana mahakasika ny findramam-bola tamin’ny Exhim Bank Korea entina hamatsiana ny tetikasa tambazotra hitondra herinaratra mampitohy an’ny Toamasina sy Antananarivo, dia ilay antsoina hoe PRIRTEM-Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’énergie Électrique à Madagascar- izany.
Ankoatra izany dia efa nentina teto anivon’ny Antenimieram-pirenena ihany koa ny ampahany voalohany izay mampitohy an’Antananarivo an’Ambohibary ka nahazoana vola tamin’ny BAD.
Ny faharoa dia ny ampahany mampitohy an’Ambohibary an’ny TOAMASINA ka ny BEI no miantoka ny famatsiam-bola.
Ity fahatelo ity kosa dia ny fananganana Sous-Station ao Ilafy sy ao Ambohibary.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *