Tetikasa PRIRTEM II

Fanatontosana ny vina izao
▶️ Tontosa ny fivorian-kasa nanomboka ny 2 Oktobra ka hatramin’ny androany 6 oktobra 2023 teny amin’ny « Le Centell » Antanimena, niarahan’ireo solontenan’ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana (BAD) sy ireo rehetra voakasiky ny tetikasa PRIRTEM (Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie électrique à Madagascar) andiany faha-2.
✅ 5 andro nijerena tsirairay ireo teboka lehibe hampandroso ny asa, sy hanarahana ireo toromarika ary soso-kevitra isan-tsokajiny. Teo ihany koa ny fifanakalozana narahina adihevitra.
➡️ Ny PRIRTEM 2 dia atao indrindra hamaha ny tsy fahampiana herinaratra amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA) sy Antsirabe. Izany dia amin’ny alalan’ny fampidirana anaty tambazotra ny vokatra herinaratra azo amin’ny tetikasa toa an’i Sahofika. Ity farany dia manana tanjaka 192MW sy hamokatra herinaratra 1500GWh isan-taona. Eo ihany koa ny fanamboarana tambazotra iraisana 220Kv, miainga Antananarivo Atsimo (Tanà Sud) hatrany Vinaninkarena mandalo eo Antanifotsy, izay mahatratra 135km hanana tanjaka 300MW.
⭐Nandray anjara tamin’izao dinika izao ny avy amin’ny MEF, MATSF, ADER ary JIRAMA.
Nitarika ny avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo ny Sekretera Jeneraly Atoa Thierry ANDRIANTSOA.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *